Utilisateur:Mignon Minions

Une page de Wikipédia, l'encyclopédie libre.
                                                               NY TENINY DIA FANAHY SY FIAINANA
...NY TENY IZAY NOLAZAIKO TAMINAREO DIA FANAHY SY FIAINANA(Jaona6:63)
        Ny tenin'ny Mpampianatra eto ambony dia mamela anao hahazo ny hery,ny toetra, maha Izy Azy,sy ny fahaiza-manao ny tenin'Andriamanitra.Ny zavatra rehetra izay mandalo avy amin'Andriamanitra dia "Andriamanitra".tsy midika akory izany hoe "ny Tsanganany"fa mitondra ny fiainany ilay zavatra:ny toetrany maha Izy Azy.Tahaka ny ADN'ny olombelona ihany ,izay afaka hita avy amin'ny zavatra faran'izay kely tahaka ny singam-bolo iray avy amin'ny vatanao ohatra.Io singa iray amin'ny volonao io dia manana ny maha ianao anao manokana ao anatiny .Dia tahaka izany koa ,ny zavatra rehetra izay mivoaka avy ao amin'i Jesosy-Ny teniny-dia mitondra ny maha Izy Azy,ny heriny sy ny fiainana ao anatiny .Ny teniny izay tonga aminao dia mitondra ny ADN-ny amin'izay misy azy.
           Izay ilay hery tsy misy fetra ananan'ny tenin'Andriamanitra .Tsy ny tenin'ny olona rehetra dia fiainana.Fa tena manintona ny mahafantatra fa Jesosy miteny ny Teny dia fanahy sy fiainana.Tsy mahagaga raha tsy miverina foana any Aminy ny teniny.Jereo ny fahatsaran'ny hanaovan'ny"Message translation"izany:"Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako dia tsy miverina aty amiko tsy misy eny an-tanana.Mandeha manao ny asa nanirahako azy ataony izy,mandeha manatanteraka ny iraka izay nomeko azy ireo"(Isaia 55:11)
           Raha Teny ho an'ny fahasalamana sy fanasitranana no Teny ho anao,dia hiasa ao anatinao izany ary manatanteraka ny iraka mahafeno ny fahasalamanao.Raha mikasika ny ara-bolanao,dia manao toy izany.Ny tenin'ny fahamarinany dia manatanteraka ny fahamarinan'Andriamanitra ao anatinao rehefa raisinao izany.Tamin'i Paoly Apostoly nandray ny tenin'I Jesosy,nitsofoka tao aminy manontolo ny fiainana tao amin'ilay Teny,lalim-paka tokoa,hany ka rehefa napetraka teo amin'ny marary ny masoarany sy ny ny fiaron'akanjony avy eny amin'ny tenany dia niseho ny fahagagana(Asan'ny Apostoly 19:11-12)
           Ianao dia nateraka indray avy amin'izany Teny izany koa izay mitondra fiainana avy any an-danitra(1Petera 1:23).Noho izany,tsy hoe tsy azo potehina fotsiny ianao fa tahiana ihany koa.Ny zavatra rehetra izay mivoaka avy aminao dia mitondra ny fiainan'Andriamanitra ao anatiny.Ny zavatra rehetra momba anao dia voakasiky ny hery avy any an-danitra,ary  voaharon'ny fiainana sy ny herin'Andriamanitra izay miasa ao anatinao.Tongava saina ny amin'izany'ary miainà ilay fiainana"supernaturel"isan'andro.